♦ Fiatrehana ny fetin'ny Noely : Miova kely amin'ny andavanandro, mirona kokoa amin'ny akoho amam-borona amin'ny safidy amin'ny laoka ny fianakaviana raha ny fanadihadiana natao... ♦ Hiasa hatramin'ny 10 ora alina ireo fiara fitanteram-bahoaka ao Antananarivo-renivohitra mivondrona eo anivon'ny UCTU amin'izao fety izao hoy ny filohany... ♦ Tsy tokony hisy ny olan'ny famatsiana rano ho an'Antananarivo renivohitra sy ny manodidina mandritry ny fety mitohy hatrany mantsy ny asa famatsiana rano ataon'ireo fiara vaventy hoy ny JIRAMA... ♦ Mangataka ny mba hampitsaharana ny ady mandritry ny fetin'ny Noely ny Ray Masina Léon XIV...
♦ Tontosa omaly hariva ny fianianan'ireo mpanolotsaina ambony telo vaovao eo anivon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana... ♦ Voafaritry ny fehezan-dalàna momba ny paika ady heloka ny fanaovana fisavana trano (perquisition), handraisana fepetra ary melohiny ny fanaovana izany tsy mifanaraka amin'ny lalàna... ♦ Hitohy anio ny fandinihan'ny Fitsaràna atsy Maorisy ny momba ilay fangatahana fahafahana vonjimaika nataon'ilay mpandraharaha Malagasy Maminiaina Ravatomanga... ♦ Montréal Canada : Andian-dehilahy nisalotra ankanjonà dada noely sy ireny lutins ireny no nanafika tao aminà tranombarotra lehibe, nangalatra sakafo...
• Nanda ny filazana azy ireo ho nametra-pialana ny mpanolotsaina avo ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana. Vonona hiala amin'ny toerany nefa izy ireo raha izay no ilaina... • Mitaky ny hanaovana ny fikaonan-dohan'ny olom-pirenena eto amintsika. Tokony hiainga any amin'ny Kaominina izany, hoy ny KMF-CNOE... • Ahato aloha ny fandravana trano eny Anosibe Andrefana Voalohany, hoy ny Colonel Randrianirina Michaël, noho ny maha ankatoky ny fety ny nanaovana izany...
♦ Tonga eny Ambohidahy hifampiresaka nanomboka tamin'ny maraina teo ireo mpikambana telo eo anivon'ny HCC, nanambara fa nametra-pialàna. Nilaza izy ireo fa teny amin'ny Facebook no nahita io taratasy milaza ny fametraham-pialàna io... ♦ Natsangana ny filan-kevitry ny olon-kendry sy ny "comité d'expert", ho fiatrehana ny fanavaozana sy ny fikaonandoham-pirenena. Notendrena nandritra ny filan-kevitry ny Ministra omaly ireo mpikambana ao anatin'izany... ♦ Natao ho andro tsy fiasàna nefa handraisan-karama ny zoma 2 janoary 2026 izao. Nankatoavina omaly ny didim-panjakàna mampanan-kery izany manerana ny tanin'i Repoblikan'i Madagasikara...
• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco