♦ Nandao tanteraka ny Lapan'ny Antenimieram-pirenena, Ramatoa Razanamahasoa Christine, ao anatin'izao famaramparanana ny fe-potoam-piasan'ny Solombavam-bahoaka izao... ♦ Mbola mihisatra ny ady amin'ny kolikoly eto Madagasikara, hoy ny Filohan'ny Kômity Mitandro ny Fahitsiana, na ny CSI... ♦ Mbola misy fanantenana kely ny hahafahan'ny Barea milalao amin'ny kianja eny Mahamasina amin'ny volana jona, hoy ny mpamakafaka baolina kitra, Fenosoa Razafimamonjy...

♦ Namindra fahefana tamin'ny Filoha mpisolo toeran'ny Antenimeram-pirenena androany, Ramatoa Christine Razanamahasoa. Tandrovy mafy ny fahamarinana na hihatra aman'aina aza, hoy izy... ♦ Tsy manaiky ny hanaovana ho fitaovana pôlitika ny tontolon'ny fampianarana, ny Sendikàn'ny mpiasa eo anivon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Nanao fanambarana teny Ambohijatovo izy ireo androany... ♦ Hahazo mpitantana vaovao ny orinasa JIRAMA amin'ny volana mey izao. Manam-pahaizana avy atsy Rwanda no nambaran'ny Filoham-pirenena fa hitantana ny Jiro sy Rano Malagasy...

♦ Lesoka mila herenina ho an'ny mpiasam-panjakàna ny tsy fanajàna ny toerana hanatanterahana ny asa hoy ny sendikàn'ny mpiasa mpandraharaha sy teknisiana eny amin'ny Oniversite an'Antananarivo na ny SPATUT... ♦ Miantso ny kandidà amin'ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey izao hanaja ny lalàna mifehy ny fampielezan-kevitra ny CENI... ♦ Mangataka ny hanokafana orinasa manodina menaka amin'ny alalan'ilay tetik'asa Taninketsa Indostrialy ny mponina sy ny mpandraharaha ao Belo ambonin'i Tsiribihina, distrika mamokatra voanjo 500 taonina isan-taona... ♦ Hanefa ny adidiny hifidy izay ho solombavambahoaka ny vahoaka indiana manomboka rahampitso...

♦ Notanterahana omaly tany amin'ny OVEC manerana ny nosy ny antsapaka ho an'ny laharan'ny kandidà ao amin'ny bilta tokana amin'ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny volana mey ho avy izao... ♦ Notanterahana tany Toamasina ny filan-kevitry ny ministra, ivelan'Antananarivo. Any Antsiranana indray no hanaovana ny filan-kevitry ny ministra mitety faritra manaraka... ♦ Nanomboka nanohy ny asa fanamboarana ny lalana miainga eny Andranotapahana mihazo an'Ivato indray ny orinasa nahazo fifanarahana amin'ny Fanjakàna hanao izany asa izany... ♦ Namoaka sazy vaovao ho an'i Iran noho ny fanafihana nataony tany Israël ny eo anivon'ny vondrona eraopeana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...