Manameloka ny endri-panavakavahana rehetra ary nananatra ny mponina any Etazonia noho ny fisian’ny herisetra izay manimba ny rehetra i Papa François tamin’ny “Audience Générale” notanterahany tao amin’ny lapa apôstôlikan’i Vatican, omaly.

Manahy ny ho vokatry ny herisetra izay miha mahazo vahana taorian’ny nahafaty an’i George Floyd, ny alatsinainy 25 mai teo, izy. Tsy azo ekena, hoy ny Papa, ary tsy azo hodian-tsy hita ny endri-panavahana sy fanilikilihana ka sahy hilaza fa masina ny ain’olombelona. Tsy misy zavatra azo amin’ny herisetra, hoy hatrany izy, fa vao maika fahavoazana aza no aterak’izany. Naneho ny fiombonam-pony amin’ny Eglizy ao Minneapolis sy Etazonia manontolo ny Papa manoloana izao herisetra izao ary nivavaka ho an’ny fialan-tsasatry ny fanahin’i George Floyd sy ireo rehetra namoy ny ainy vokatry ny fanavakavahana. Nivavaka ho fankaherezana ny fianakavian’izy ireo koa sy ho an’ny fihavanam-pirenena hisian’ny fiadanana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...