Hita taratra tao amin'ny lahateny nataon'i Papa François, nandritra ny fandraisany ireo masoivoho vahiny miasa eo anivon'ny Fiketrahana Masina ao Vatican, tonga niarahaba azy noho ny nahatrarana ny taona vaovao, ny alakamisy 9 janoary teo, ny fiahiany an'izao tontolo izao.

Noresahany teo anoloan'ireo ambasadaoro miisa 183 avy amin'ireo firenena sy fanjakana manana fifandraisana ara-diplomatika amin'i Vatican, ny momba ireo toe-draharaha mafampana maneran-tany ankehitriny ka nilazany ny tokony hisian'ny tontolo tsy misy fitaovam-piadiana nokleary. Tsy ho tanteraka, hoy izy, ny hananganana tontolo anaty filaminana sy fiadanana tanteraka raha mbola misy ny tahotra amin'ny mety ho fandringanana tanteraka ny olombelona, noho ny fisian'ny fitaovam-piadiana nokleary. Nasian'i Papa François teny koa ny fahalovan'ny fanararaotana sy ny famarinana olona ataon'ireo tsy mataho-tody, mitady tombony amin'ny fahantrana sy fahorian'ireo mandositra ny ady sy ny fahantrana lalina. Betsaka koa, hoy hatrany izy, ireo mpitsoaponenana miampita ranomasina miksa ny hitady fiainana tsaratsara kokoa, saingy zary lasa fasana ho azy ireo izany, toa ny tranga fahita amin'ny ranomasina Méditerranée.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...