Manentana ny tanora hifoha amin’ny fahafatesana ara-panahy, ara-kolotsaina, ara-piaraha-monina ny Papa François, amin’ny hafatra ho an’ny Andro Maneran-tany ho an’ny Tanora amin’ity taona 2020 ity, izay nampitondrainy ny loha-teny hoe : "Ry zatovo, izaho mandidy anao, mitsangàna !" (Lk. 7,14).

Nandray anjara lehibe tamin’ny fampivoarana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly teto Madagasikara ny Fikambanan’i Jesoa, tamin’ny taonjato faha-19. Anarana tsy azo adinoina amin’ireo misionera zezoita frantsay tamin’izany i P. Dalmond, P. Jouen, P. Cazet, P Finaz. Na dia teo aza ny olana nosedraina tamin’ny fifanoheran’ny anglisy sy frantsay, ny katolika sy ny protestanta izay fivavahan’ny mpitondra fanjakana tamin’izany, dia tsy nahasakana ny fitombon’ny kristianina katolika izany noho ny ezaka nataon’ireo misionera zezoita sy lasalianina.

Nafantoky ny Papa François tamin’ny fibanjinana ny Misterin’ny fijalianan’ny Tompo sy ny fitsanganany ho velona ny hafatra ho an’ny Karemy amin’ity taona 2020 ity. Mistery izay fototry ny fiainana maha-kristianina. Hafatra nampitondrainy ny lohateny hoe : "Mihanta aminareo amin’ny anaran’i Kristy izahay : mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo !"(2 Kor 5, 20).

Manentana ireo mpisehatra eo amin'ny tontolon'ny fahasalamana ny Papa François mba hanome lanja ny asany, ka hifikitra amin'ny "eny" ho an'ny aina. Nankahery ireo vesaran'ny aretina izy hitoky amin'i Jesoa-Kristy, famindram-po sy fankaherezana. Nivoitra ireo ao amin'ny hafatry ny Papa François ho an'ny fankalazana ny andro eran-tany faha-28 ho an'ny marary, ankalazaina ny 11 febroary 2020.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...