Tsy natao hotompoina ny Razana fa mendrika ho hajaina kosa fa nampita sy niaro ny Aina ho an’ny taranaka rehetra aty aoriana. Zava-dehibe ny fanajàna ireo Nodimandry rehetra sy ireo Razana efa nialoha làlana any ankoatra.
Adidy ifarimbonan’ny Lahika sy ny Pretra, izay samy eo ambany fiahian’ny Eveka, ny fitondrana ny Vahoakan’Andriamanitra isaky ny Paroasy sy ny Distrika, izay mivondrona ho Diosezy. Koa rariny sy hitsiny raha takina amin’ireo Pretra tompom-paritany sy ny Curé rehetra ny atao hoe fahaiza-mitondra ny Kristianina izay iadidiany na ankinina aminy, sy ny fahaiza-mitantana ny fananan’ny Fiangonana.
Ireo Lahika no tompon’antoka voalohany amin’ny fampivoarana sy fampandrosoana ny firenena. Koa ilaina ny firotsahan’ny olona tsirairay, indrindra isika kristianina, na iza na iza, mba hifarimbona sy hifanasoa ary hifanome tanana. Hentitra ny fampianaran’ny Fiangonana momba io fampandrosoana sy ny fivoarana ary ny fiadanana sy fandriampahalemana io. Tsy ireo mpitondra ao amin’ny Fiangonana sy ny Firenena irery akory no tena ifaharan’izany fa ny olona tsirairay avy, izay samy manana ny andraikiny avy, ka samy manao izay ho afany am-pahatsorana sy am-pitiavana.
Ny 12 ôktôbra dia fetin'ny olontsambatra Jean Beyzim, ary fitondrana am-bavaka ireo marary hoditra rehetra. Zava-dehibe ny fanabeazana ka mila kajiana sy kolikoloina amin'ny sehatra rehetra, miainga eo anivon'ny ankohonona ka hatreny amin'ny fiaraha-monina. Mila ampiana ny zaza, ny zatovo, ary ireo tanora na ara-batana na ara-tsaina na ara-panahy fa ireo no manorina ny tanteraka ny maha-olona manontolo. Samy manana ny fomba hikarakarana azy ireo singa telo ireo : ara-batana dia ny sakafo sy ny fitafiana miampy fanatanjahantena ; ny ara-panahy dia fikolokolohana hananana fahalalana ; ny ara-panahy dia ny vavaka. Mila mifanampy sy mifampitaiza ny mpiara-belona...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco