Manentana ny kristiana rehetra mba hiombom-po aina sy hanadram-bavaka ho an'ny firenena, manoloana izao kihon-dalana, sy ho an'ny soa iombonana. Efa betsaka ny ra latsaka sy ny aina efa nafoy, nanomboka ny taona 1972, noho izany dia miantso fitonina ho an'ny rehetra. Manentana ny rehetra mba hampanjaka ny rariny, hanaja ny soatoavina. Ilaina ny fahaizana mifampihaino sy mifanakalo hevitra.

Ny Papa François dia manentena sy mitondra am-bavaka ny olombelona rehetra mba hiaina anaty ny fandriampahalemana sy hanaja ny tontolo iainana. Ny tontolo iainana lehibe indrindra dia ny fahaizana mpiara-belona mihavana amin'ny tenany sy ny manodidina azy ary ny fahaizana mikolokolo ny fihavanana. Ao anaty ny fiombonana no misy ny tena fiadanana, ary ao anatin'ny fiadanana no misy ny filaminana tanteraka.

Ny Mpiaro voalohany ny nosy Madagasikara dia Maria Immaculée izay, ankalazaina isaky ny 8 desambra. Ny andron'ny 27 septambra dia fety Olomasina Vincent de Paul, Mpiaro faharoa ny nosy, izay mpiaro sy fankatahaka tamin'ny asa fiantrana, vao 19 taona izy dia efa pretra. Toetr'Andriamanitra ny toetra tia manome, izay niainan'ny Olomasina Vincent de Paul. Ny Papa François dia isan'ny miaina io fitiavana ny mahantra io, nisy tahirin-kevitra nosoratany mihitsy niresahany ny Eglizy sy ny fahantrana, mitondra ny loha-teny hoe "Evangelii gaudium" .

Zava-dehibe eo amin'ny samy mpiara-belona ny atao hoe : fiombonana, firaisan-kina, fifankatiavana ary ny fifanajana sy fifanampiana. Maro ireo tanora no miniry ny hiasa any ivelany, ambaran'izy ireo fa tsy misy filaminana eto Madagasikara, ohatra ny olana arak'asa sy ny tsy fandriam-pahalemana toy ny vono olona, fakana an-kery, halatra... Tsy voahaja ny lalàna sy ny fitsipika eto Madagasikara ary mampivily lalana ireo miezaka manao ny ara-dalàna. Adidy lehibe ny fahaizana mamaky ny lalàna sy fahaizana mandray hanatra omen'ny ray aman-dreny sy ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...