04 marsa — I Masindahy Casimir dia teraka ny taona 1458 tao Cracovie. Faharoan-janaky ny mpanjakan'i Pologne izy. Ny taona 1479 ka hatramin'ny 1481 dia nitantana an'i Pologne izy nandrita ny rainy nipetraka tany Lituanie.

Hitan-drainy fa havanana tamin'ny fitantanana izy izy ka nokasainy hambady ny zanakavavin'ny amperora germanique. Efa nanao ny voadin'ny fahadiovana anefa i Casimir ka tsy nanaiky izany. Hatramin'ny mpitsabo aza nampirisika azy hanambady fa hoe fanafody mahasitrana ny aretin'ny avokavoka mahazo azy ny firosoana amin'ny fanambadiana, nolaviny hatrany anefa izany torohevitra izany ary nentiny maty mihitsy ity aretina ity. Niangavy azy fatratra ny rainy handray ny fanjakana tao Hongrie fa nolaviny izany hany ka nampidirina am-ponja izy nandritra ny telo volana.

Tia vavaka tokoa i Masindahy Casimir, virjiny izy, madio ary be fitiavana ny mahantra. Nodimandry ny 04 marsa 1484 i Casimir teo amin'ny faha-25 taonany. Ny toana 1522 izy no nasandratra ho olomasina ary nambara fa mpiaro an'i Pologne ny taona 1602.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...