09 septambra — Teraka ny 26 jiona 1580 tao Verdú akaikin’i Alarida Espagne i Pierre Claver ary nodimandry ny 08 septambra 1654 tao Carthagène des Indes, Colombie. Marani-tsaina i Pierre Claver, nanao ny fianarany tao amin’ny zezoita izy talohan’ny faharoapolo taonany izay fotoana nidirany ny noviciat an’io fiakambanana io ihany tao Tarragone ny taona 1602.

Nandritra ny fandalinany ny filôzôfia tao Palma de Majorque ny taona 1605 hatramin’ny 1608 dia nifankahita tamin’i Alfonso Rodríguez izy, frera zezoita izy io, lasa namany io frera io, ary miresaka aminy matetika momba ny iraka vavao atao any Amerika, ka izany no nampitombo ny faniriana tao aminy mba handeha hanao misiôna any amin’ny Tany vaovao.

Raha ny dia naton’i Pierre Claver no resahana dia ny 1610 izy no tao Colombie tao Cartasen. Ny 19 marsa 1616, nohamasinina ho pretra tao Carthagène i Pierre Claver. Tamin’ny andron’ny nanaovany ny voady farany no nanaovany sonia izany teny napetrany izany hoe : “Petrus Claver, Aethiopium semper servus”, azo adika tsotsotra hoe “Pierre Claver, mpanompon’ny Afrikanina mandrakizay”. Teo amin’ny seranan-tsambo dia maro ireo babo mainty hoditra no tonga nafatratra ao amin’ny lakavin’ny sambo. Tsy hay lazaina ny fahorian’izy ireo izay atao toy ny biby. Hatramin’ny 1605 dia nisy pretra zezoita Alonso de Sandoval niaro ny zon’ireo babo ireo ary ny asan’io pretra io no notohizan’i Pierre Claver. Mamahana azy ireo, mitsabo, mampiakanjo, mankahery ary mitory ny Vaovao Mahafaly ihany koa. Manokana fotoana ihany koa izy ho an’ireo voaheloka ho faty sy farahidiny. Teo amin’ny faha-40 taona nitoriana, izay nampibebaka olona maro, vizana ara-batana sy ara-tsaina no nodimandry i Pierre Claver. Nalevina tao Cuartasen izy, ny vatany dia ao amban’ny ôtely Saint-Pierre-Claver, amin’ilay toerana 40 taona nanompoany ireo faharahidiny.

I Marie Thérèse Ledóchowska, olotsambatra izy io, dia nanorina fikambanana masera hoe Missionaires de Saint Pierre Claver tamin’ny taona 1894. Ka efa miohatra ny 200 izy ireo ankehitriny, miparitaka eran’izao tontolo izao ka misionera hitory ny Evanjely amin’ny olona sy hanentana ny olona rehetra tsy ankanavaka handray anjara amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ary ny fampielezana ny finoana no asan’ireo relijiozy ireo. Nasandratry ny papa Leon XIII ho olomasina i Pierre Claver ny 08 janoary 1888, ary ny 1896 dia nambara fa mpiaro ireo mpanao iraka any amin’ireo mainty hoditra. Ny papa Joany Paoly II, nandritra ny fivahinianana masina nataony tany Colombie dia nitsidika ny fiangonana Saint-Pierre-Claver ary naneho fananjana nanoloana ny vata nisy an’io olomasina io. Ny bazilika nampitondraina ny anarany ao Brazaville dia naorina tamin’ny taona 1963.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...