Vao teraka ny vehivavy dia efa narafitr'Andriamanitra ho reny. Ka na ny toe-batany na ny toe-tsainy dia efa  voavoatra sahady ho amin'izany iraka sarobidy sy masina izany. Arakaraky ny  handrosoan'ny taonany ho amin'ny fahamatorana no hiomanany amin'ny fikarakarana tokantrano aoriana kely. Ny ray aman-dreny dia manana adidy amin'ny fanabeazana ny zanaka vavy mba ho reny. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

Olon'ny fitiavana sy ny fiaraha-monina ny vehivavy ka miravona avy hatrany ny mety ho korontandrotana eo amin'ny fiainana vokatry ny toetra maherihery hananan'ny lehilahy. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

Natao hifameno sy hifanohana amin'ny lehilahy eo amin'ny fiainana ny vehivavy. Loharano hametrahana ny aina sy hitohizan'ny aina ary hipoiran'ny aina izy ka mila hajaina sy apetraka tsara amin'ny anjara toerana nanaovan'ny Nahary azy. Endriky ny lalana izy ieny raha mandeha ary haingon'ny tokantrano raha mipetraka. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

Adidy hijoroan'ny raim-pianakaviana hatramin'ny farany ny maha loham-pianakaviana azy. Manabe am-pitiavana mandrakariva ny zanany miaraka amin'ny vadiny izy. Modely tahaka an'i Md Josefa izy ao an-tokantranony ka hatahoran'ny ankohonany sy hajainy am-pitiavana satria sady mahatoky no nahay nametraka ny fahefana amin'ny maha-raim-pianakaviana azy. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...