Antsoin'ny katesizin'ny Fiangonana Katolika ho " Mpandraharaha voahosotra" ireo nanokan-tena hanompo ny Eglizy ka " manao ny asany eo amin'ny Vahoakan'Andriamanitra amin'ny fampianarana, ny fanompoam-pivavahana ary fitantanana amin'ny maha-Mpiandry ondry". Misy ambaratonga telo izy : ny Eveka, ny Pretra ary ny Diakra. Katesizy  momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Antso ho amin'ny fahamasinana no antso tokana iantson'Andriamanitra ny olona rehetra, koa na iza na iza, dia nantsoina ho masina. Anjaran'ny tsirairay ny manamasina ny tenany ao amin'ny fiangonana amin'ny alalan'ny vavaka, ny fahaizany mitia an'Andriamanitra sy ny namany. Katesizy momba ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Ny tena mampizotra antsika amin'ny lalan'ny fahamasinana dia ny fanekena hibebaka ka hanaraka izay rehetra natorin'i Kristy ao Evanjely, hiainana ny didim-pitiavana ary hanaiky hitondra ny hazofijaliny. Katesizy momba ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Tsara ny manamarika fa ny fahamasinana misy fetra dia tsy azo lazaina ho fahamasinana velively fa fahamasinana mandalo no mety ilazana azy. Ny tena fahamasinana dia izay hiainana maharitra ka hahitana hafaliana na dia hisedrana ny mafy indrindra aza. Katesizy momba ny antso, iarahana amin'i P.Wagner Randriamampiandry.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...