Tsy maintsy misy ny vavaka ho an'ny mpitondra fanjakàna ao anaty ny litorjia satria adidy no manery ny rehetra ny manaiky sy manome haja ny mpanam-pahefana, araka izay tokony hatao aminy, araka ny famendrehany, araka ny raharaha ataony. Manana adidy hitondra am-bavaka azy ny vahoaka mba hatontosany ny adidiny. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Ny marina feno fatra momba ny olombelona no ahafahana mihoatra an'ilay fomba fijery ny rariny ho "fifanarahana" ihany, izay fomba fijery voafetra ; ary mbola ahafahana manokatra ny sehatry ny firaisan-kina sy ny fitiavana hidiran'ny fahamarinana. Tsy ampy raha rariny fotsiny, mety ho tonga hatramin'ny hoe hitsipaka ny tenany aza izy, raha mikiry tsy misokatra mandray ny fitiavana izay manan-kery. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Taratra ho manana ny lanjany manokana tokoa ny rariny, eo anivon'ny toe-java-misy ankehitriny, satria ao anatin'izany, ankoatra ny fanambaràna ny fahavononana, dia ny soatoavina mahaolona, ny hasiny sy ny zony no tandindomin-doza noho ny fihanaky ny firehana tsy manam-penitra afa-tsy amin'ny zavatra ilaina sy ny fananana azy. Ny rariny dia tsy fifanarahana ifanaovan'ny olombelona fa ilay maha-olona. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Ny rariny dia soatoavina tsy misaraka amin'ny fanatanterahana an'ilay hatsaram-panahy fototra ara-môraly mifanandrify aminy. Araka ny fomba mahazatra indrindra ilazana azy, ny rariny dia tsy inona fa ny finiavana, mitozo ary matotra, an'Andriamanitra sy ny namana ny zavatra tokony homena azy ireo. Raha tombanana avy ao anaty, ny rariny dia taratra amin'ny fihetsika baikon'ny finiavana. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...