Raha mampianatra ny Eveka dia miray mandrakariva amin'ny Papa amin'izany fampianarany izany izy ary mijoro ho vavolombelon'ny fahamarinana sy ny Eglizy. Ny Kristianina dia manaja izay fampianarana avy amin'ny Eglizy, miray saina sy miombon-kevitra. Tsy maintsy raisin'ny Kristianina amin'ny fo sy ny saina miaiky tanteraka ny fampianaran'ny Eveka mitondra azy... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Ny anton-draharahan'ny Eveka voalohany indrindra dia mitory Evanjely amin'ny olona rehetra noho ny fanampian'ny Fanahy Masina. Fahefana natolotra azy ireo avy any an-danitra sy ety an-tany io ka ny hampianatra ny firenen-drehetra sy ny hitory ny Vaovao Mahafaly amin'ny voaary manontolo no mamehy izany fahefana izany ; tanjona ny ahazoan'ny rehetra famonjena... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Solon-tenan'ny Eglizy eo amin'ny Diôsezy ny Eveka, noho ny fiombonany amin'ny Papa no maha-solon-tenan'ny Eglizy manontolo azy ampirasin'ny fiadanana sy fifankatiavana ary firaisan-kina. Ny Evekan'i Roma dia ny Papa. Izy no filoha sy fototra maharitra ary hita maso mampiray ny Eveka rehetra sy ny Kristiana. Ny Eveka dia mampandroso sy mitandro ny finoana ho iray... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Ny Papa izay manana ny fahefana feno amin'ny fitondrana sy ny fampianarana ny Eglizy no filohan'ny Eveka rehetra. Ny eveka rehetra dia miombona amin'io filohany io mba hahalavorary sy feno ny fahefan'ny Papa. Avy amin'i Kristy Lohan'ny Eglizy io fahefana io satria izy nanangana an'i Simôna ho vatolampy sy mpitana ny fanalahidy eo amin'ny Eglizy, nametraka azy ho Mpiandry ny andian'ondry... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco