Ny vavaka : fifampiresahan'i Jesoa sy ny Rainy - resaka ifanaovan'ny Ray sy ny Zanaka mifankatia fatratra. Nianatra nivavaka araka ny fony maha-olombelona Azy ny Zanak'Andriamanitra. Nianatra ny rijan-teny momba ny fivavahana tamin'ny reniny, ilay Virijiny. Nivavaka i Jesoa talohan'ireo fotoan-dehibe nanamarika ny fanirahana Azy, talohan'ny nampisehoan'ny Ray Azy tamin'ny Batemy... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

Môdely ho antsika amin'ny vavaka i Jesoa sy ireo Olomasina nanara-dia Azy. Nivavaka lalandava mazoto tamin'ny fanaovana asa soa ary nahay nitsinjo ny hafa. "Aza matahotra!" rehefa mivavaka. Ny Zoma Masina dia tsy maintsy miafara sy misokatra ho any amin'ny Alahadin'ny Paka, porofon'ny fandresena ny ratsy rehetra noho izany dia ilàna faharetana ny vavaka... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Ny asan'i Jesoa teto an-tany no maneho miharihary fa raha mino sy manaiky an'Andriamanitra sy ny heriny isika dia ho azontsika izay angatahantsika. "Satria ny finoanao no nahavonjy anao" hoy ny Tompo tamin'ireo olona nositraniny. koa mila manamafy finoana isan'andro isika mba ho azo antoka ny vavaka ataontsika ary mba ho tena vavaka araka izay vokatry ny fo sy an-kalalahana... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Mazana dia mitoetra ny fahatezarantsika manoloana ny fitalahoantsika tsy tanteraka. Betsaka tokoa ny olana miseho ilantsika valim-bavaka kanefa toa tsy misy vokany. Tamin'i Jesoa Kristy tety an-tany dia maro tokoa ireo nitalaho ny famonjena taminy ka niantsoantso hoe "mamindra fo aminay". Na izany aza, ao ny nolaviny , saingy nanao lemozy fa ao koa ireo nanontaniany raha tena mino... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...