Vavaka am-bava no vavaka voalohany nataon'ny olona. Ny molotra no mihetsiketsika voalohany rehefa hivavaka, mamoaka ny avy ao am-po. Ny vavaka am-bava dia fanomezana ho an'ny fiainana kristianina. Ny mpianatra izay voasariky ny Mpampianatra azy dia nangataka mba hampianarin'i Jesoa mivavaka ka nampianariny ny vavaka lavorary indrindra... Katesizy momba ny vavaka am-bava, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

Mampatahotra ny fikatonan'ny olona amin'ny tenany, mety noho ny fijaliana anaty no mampikombona. Ny fijaliana anaty dia mety mampihidy ny tena, ary tsy tiana holazaina amin'ny olona hafa, Ilaina mandrakariva ny miresaka, avoaho izay mamesatra ao amin'ny fonao, aza itehirizana enta-mavezatra ao. Ny Soratra Masina dia mampianatra antsika hivavaka am-bava, amim-pahasahiana... Katesizy momba ny vavaka am-bava, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

Ny vavaka dia miresaka amin'Andriamanitra - resaka entina hanomanana ny fanahy hanaisotra ao aminy ny fitiavana tsy mirindra mamatopatotra rehetra, hamantarana ny sitrapon'Andriamanitra ka mba handaminana ny fiainana. Ny vavaka ataontsika dia ambara amin'ny teny, vavaka fitalahoana, hira, tononkalo, mitatitra ny fiainantsika sy ny feon'ny zava-boahary rehetra... Katesizy momba ny vavaka am-bava, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

Fampianarana feno ny vavaka nampianarin'ny Tompo, sady fangatahana fiarovana avy amin'Andriamanitra. Ilay teny famaranana "AMEN" dia manambara fankatoavana sy fanekena. Ny vavaka "Rainay any an-danitra..."  nampinaran'i Jesoa an'ireo Apôstôly dia mahafeno ny fepetra rehetra ho isan'ny vavaka tsara indrindra... Katesizy momba ny vavaka nampianarin'ny Tompo, iarahana amin'i P. Wagner Randriamapandry.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...