Mandaitra ary tonga any amin'ny RAY ny vavaka ataontsika miaraka amin'i Jesoa Kristy. Ny zavatra niseho teo amin'ny fotoana lehibe nanaovana batemy an'i Jesoa teo Jordany dia vokatry ny fifantohana nataony nivavaka dia nipaka hatrany amin'ny RAY ary nanokatra ny lanitra ny vavaka nataony. Ny fankalazana ny Sakramenta ny Batemy dia ilana fifantohana satria tena vavaka io, hajaina ireo torolalana ara-litorijika... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Miara-mivavaka amin'ny vahoakan'Andriamanitra mpanota i Jesoa Kristy. Tsy irery akory isika rehefa mivavaka hoy ny Papa François fa miaraka mivavaka amintsika mandrakariva i Jesoa Kristy, ary izay no maha-olon'ny vavaka azy. Manamafy izany ny famantaran'ny hazofijaliana ataontsika isaky ny hanomboka vavaka miantso an'Andriamanitra Trinite Masina mba hiaraka hivavaka amintsika... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Rehefa nanatona an'i Joany Batista i Jesoa mba hatao Batemy hiombonany fiainana amin'ireo vahoaka jody namany ; te hampianatra antsika i Jesoa fa Izy aza Andriamanitra manatona mba hibebaka, maika fa isika izay zanaky ny ota ary nandova fahotana indray ve no tsy hatao Batemy? Tsy natao Batemy amin'ny rano mba hahamasina Azy i Jesoa fa Izy no nanamasina ny ranon'i Jordany... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Nanatona an'i Joany Batista ireo vahoaka nahatsapa ny fahotany mba hatao Batemy hoy ny Papa ; izay atao Batemy dia mahazo famelana ny fahotana noho izy anisan'ny sakramenta famelan-keloka ary fibebahana. I Jesoa natao Batemy dia mandray anjara amin'ny vavaky ny vahoaka ary miara-mivavaka amintsika. Ny vavaka no zavatra voalohany nataon'i Jesoa raha nanomboka ny asany am-pahibemaso Izy... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...