Araka ny voalaza ao amin'i Lioka 3, 21 :  tamin'ilay natao Batemy iny ny vahoaka rehetra dia natao Batemy koa i Jesoa, ka raha mbola nivavaka Izy dia nisokatra ny lanitra. Araka ny voalaza ao amin'i Matio 14, 23 : ary rehefa avy nanao veloma ny olona Izy, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana ; ka noho ny alina ny andro dia Izy irery no teo... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Olon'ny vavaka i Jesoa mazava arak'izany fa mivavaka Izy ary manome fitaratra ho antsika amin'izany vavaka izany. Na dia zanak'Andriamanitra aza i Jesoa, izany hoe Andriamanitra dia nivavaka toy ny olona rehetra mivavaka ary tena nivavaka tokoa. Mamaritra ny toetra maha-olona ny vavaka ka anisan'izany i Jesoa ; izany no niantsoana azy hoe "zanak'olona". Amin'ny maha Zanak'olona Azy no nilany ny vavaka. Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Kristiana isika fa maro amintsika no tsy mahalala ny tena vontoatin'ny vavaka ary betsaka aza no tena hoe tsy mahay mivavaka mihitsy. Aoka isika hanana ilay hetaheta nananan'ireo mpianatr'i Jesoa niara-nitoetra taminy ka hangataka amin'i Jesoa na ireo solon-tenany hoe "ampianaro mivavaka izahay!" Ny fahitan'ireo mpianatra an'i Jesoa nivavaka no nahatonga azy ireo nangataka mba hoampianarina mivavaka. Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Mpivahiny isika ary an-dalana makany amin'ny taon-jobily ; hery vaovao ary ainga vaovao ho an'ny fiainam-panahintsika izany. Tadidio fa ilain'Andriamanitra isika ka ny vavaka no mandondona ny varavaran'ny fontsika, mandray ny akanjo-pahamarinanan'i Elia taha an'i Elisea isika. Sahia sy manapaha hevitra isika mba hiala sy hihoatra izay rehetra manakana antsika tsy hiombom-piainana tanteraka amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny vavak'i Elia, iarahana amin'i P. Ramamonjisoa Herizo Elie.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...