Dingam-piainana lehibe, sarobidy sady masina ho an'ny tanora lahy sy vavy ny fidirana amin'ny fiainan-tokan-trano. Tsy misy fianarana manokana tena mahakasika ny fiainana sy ny ho avy manontolo, koa mila fiomanana sy fanabeazana izany. Manana adidy araka izany ny ray aman-dreny mba hikolokolo ny zaza sy ny tanora amin'ny lafiny rehetra ary hitantana azy ireo amin'ny lalan-tsara. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

Izay rehetra mahita na mandre ny fanalan-jaza nefa tsy miteny dia miray tsikombakomba amin'io asa ratsy io. Ny fanohanana ny fanalan-jaza dia fandraisana anjara amin'izany fahotana lehibe izany ary tsy ahafahana mandray kôminio ho an'ny mpino katôlika. Ny Sakramenta dia rafitra misy ao amin'ny Fiangonana, tsy mendrika handray anjara amin'ny Kôminio Masina ny olona manohana ny fanalana zaza. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa. 

Ny fandresena ny fahantrana sy ny fikarohana ny fitsaboana ary ny fanampiana ny ray aman-dreny no ilaina hamafisina, aoka hanangana tontolom-piainana miaro ny aina amin'ny alalan'ny soatoavina Malagasy fototra dia ny fihavanana. Misaotra an'ireo fikambanana miaro sy manampy ny ray aman-dreny mitondra vohoka isika ka hanampy azy ireo handray am-pitokiana ilay fanomezana kely vaovao dia ny zaza hateraka. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa. 

Reny sy mpampianatra ny Eglizy ka adidiny ny mikolokolo sy mikarakara ny zanany rehetra na lehibe na kely na mbola any am-bohoka, mpampianatra sy mpaminany ka tsy mitsahatra manoro ny marina na amin'ny fotoana na tsy amin'ny fotoana, ary ny marina dia i Kristy. Izy no maha olon'afaka antsika (Jo 17, 17). Reny natao hamelona ny olom-pirenena sy ny vahoaka ny mpitondra firenena, manana adidy hiaro ny aina. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa. 

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...