Mbola ilàna ezaka mafy ny hananan'ny olona eto amin'ny firenentsika ny fiainana tena mendrika ny maha-olona. Raha tiana ny hananana fivoaram-piainana tena izy dia tsy maintsy hatomboka amin'ny fanabeazana matotra sy feno ary araka ny voalazan'ny Soratra Masina. Rehefa mahazo fanabeazana tsara ny olona dia hivoatra ny asa fivelomany, hanao mihoatra ny vitan'ny ray aman-dreniny. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Ny ray aman-dreny dia lasa mijanona ho mpiteraka fotsiny, fa tsy manana ny hasiny intsony, noho ny fandrosoana mivaona amin'ny maha olona, amin'ny soatoavina. Mandray tsy ampiheverana ny fandrosoana isika ankehitriny, tsy afaka mandanjalanja, tsy mahay mandray ny endrim-pivoarana mifanaraka amin'ny toe-karena sy ny fomba fisaina ary ny fomba malagasy. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Raha tiana ny hisian'ny fivoaram-piainana dia tsy maintsy atomboka amin'ny fanabeazana matotra sy feno araka ny voalazan'ny Soratra Masina. Tsy mahasahana ny ara-pivelomana ihany ny fivoarana fa mahasahana indrindra ihany koa ny ara-pitondran-tena "moral" sy ny ara-pinoana. Ny oha-piainana aseho amin'ny fiaraha-monina dia hahalalana fa kristiana ny olona na ny fianakaviana iray. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Ankehitriny maro ireo endrika fandrosoana izay tsy mifanaraka amin'ny fomba amam-panao sy kolontsaina malagasy no tafiditra eto amintsika. Mazàna dia manao "laisser-aller" isika ka toa tsy rototra akory fa mety tena hanimba ny maha-izy ny tena mihitsy ny zavatra sasany. Tsy afaka mandanjalanja fa maka tahaka be fahatany na dia manimba ny soatoavina aza ireny. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco