Voakitikitika ny amin'ny lafiny rehetra amin'io tombontsoa iomboana io, rehefa difotry ny fitiavam-bola ny olombelona. Tadidio fa misy fiantraikany amin'ny olona hafa any an-kafa ny fomba fiainantsika sy izay ataontsika satria mifamatotra ny fiainantsika andavanandro. Ny soa iombonana no fanantenantsika kristiana, fanantenana izay hahasoa ny olombelona. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Ny fonjan-kevitra momba ny "soa iombonana" dia iray amin'ireo andry efatra izay tsy miova amin'ny fampianaran'ny Eglizy momba ny fiaraha-monina sy ny sôsialy. Ireo andry lehibe efatra : Ny hasin'ny fahamendrehan'ny olombelona, soa iombonana, ny tsy misalovana andraikitra, firaisan-kina. Ny soa iombonana dia mamela antsika hanome fahafaham-po ny filan'ny olombelona rehetra. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Fiandrandrana ny soa iombonana any an-koatra ny fikatsahana ny soa iombonana ety an-tany. Misy ny fomba fijery ara-tantara fotsiny ny soa iombonana. Fijery izay miompana amin'ny hitan'ny maso sy tsapain-tanana, ary izany dia miafara amin'ny fanovana ny soa iombonana ho hafinaretana tsotra eo amin'ny fiaraha-monina sy ny fiharian-karena. Manam-petra ihany anefa io fomba ara-tantara io. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Noho ny finoana ny Pakan'i Jesoa Kristy dia tratra ary feno ny soa iombonana tapitrohatra satria tokoa ao amin'ny Pakan'i Kristy no manazava tanteraka ny fahatanterahan'ilay tena soa iombonana marina ho an'ny taranak'olombelona. Tian'Andriamanitra ny olombelona ka antony namonjeny ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka ary izay no naneken'i Jesoa hijaly sy hitsanga-ko velona, io no soa iombonana tapitrohatra. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco