Ilaina ny mivavaka ka mivavaha lalandava, mivavaha am-paharetana. Hoy ny Papa François hoe  : aza maka fomba ratsy toy ny hoe tsy mivavaka raha tsy misy zava-dehibe hatrehina. Ny toe-tsaina tokony hanana rehefa mivavaka dia mitalaho, mangataka, midinika, mamerimberina, manam-paharetana, tsy kivy ary manantena lalandava. Rehefa mivavaka dia ataovy tsotra... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.

Ny kristianina manam-pinoana ihany, hoy ny Papa François, no tena manam-paharetana, izay faharetana miavaka. Eo amin'ny vavaka no tena ilàna faharetana, eo koa ny fihaonana amin'Andriamanitra, ary eo koa ny fitozoana amin'ny resaka ataontsika amin'Andriamanitra. Nitady ny fomba mba hivavahana lalandava i Moizy sy ny namany ka nahomby izy ireo, sady nandresy... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.

Tao Getsemania sy teo ambony hazofijaliana no niharihary sy tonga lafatra ny vavak'i Jesoa dia ilay ady sy tolona nataony : nanoloana ny fanoherana ny fakam-panahy, ny fanekena ny sitrapon'ny Ray, ny fihaonany tanteraka amin'ny Ray. Nitolona i Jesoa na osa aza ny nofony, nivavaka tsy nitsahatra i Jesoa ary nandresy, natoky an'Andriamanitra i Jesoa... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.

Vao vita Batemy i Jesoa, ka feno ny Fanahy Masina, talohan'ny niasany, nampianarany ampahibemaso dia nandeha nivavaka nanao laretirety 40 andro sy 40 alina tany an'efitra, tsy nisakafo tsy nisotro ; vita izay dia azon'ny fakam-panahy Izy fa vavaka no niadivany sy nitolomany tamin'izany. Ady no nataony tamin'ny alalan'ny vavaka hanoherany ny Sampy sy ny fahefàna... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...