Mifameno ny lehilahy sy ny vehivavy, eo amin'ny tontolon'ny asa, ilaina eo amin'ny lafiny rehetra isehoan'ny fiainam-piara-monina ny talenta mampiavaka ny vehivavy. Ilaina ny manome sehatra ny vehivavy ary tsy maintsy atao ny ezaka mba ho azo antoka ny fisian'ny vehivavy amin'ny sehatry ny asa. Manana adidy manokana ny vehivavy ao an-tokantrano, zava-dehibe ny maha-reny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Misy firehan-kevitra manindraindra ny fitovian-jo ny lehilahy sy ny vehivavy eo amin'ny fiaraha-monina. Araka ny voasoratra : tsy nisy ny mpianatra vehivavy fa i Jesoa Kristy no nampiditra azy teo amin'ny fiaraha-monina, nampianatra tamin'ny fihetsika sy ny nataony : mifameno ny lehilahy sy ny vehivavy. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Ny tsy fananana asa dia miteraka olana eo amin'ny fampianarana zanaka. Vokatr'izany dia mitotongana ny fahalalana, mikoroso ny fanabeazana, porofo tsy mifanaja intsony ny eny anivon'ny fiaraha-monina sy ny fianakaviana. Ny fitokisana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka no manampy ny olona hiatrika ny olana sedrainy hitady sy hiezaka hiasa. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Miteraka olana eo amin'ny vatana ny tsy fananana asa satria rehefa noana ny vatana dia mivezivezy ny fanahy. Mahatonga henatra ho an'ny olona iray ny tsy fananana asa, eo amin'ny fiaraha-monina. Ny tsy fananana asa dia antony mampitombo ny tsy fahandriam-pahalemana, sy ny herisetra satria betsaka ireo te hahazo vola haingana. Mety hanova ny fitondran-tena ny tsy fananana asa. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...