Ny atao hoe "tsaho, vaovao tsy marina" dia teny na resaka mandeha mitety hatrany, izay tsy mbola voafotopototra na marina na diso. Izany hoe fampahalalana izay mampita amin'ny tanjona hamafazana fisalasalana momba zavatra na olona iray, ary tsy azo porofoina. Ny tsaho dia manamafy ny fahalianana, porofon'izany mazana ny olona no liana amin'ny tsaho, maika aza mampitombo ny fahalianany. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB. 

Anisan'ny olana goavana eo amin'ny fiaraha-monina ny fanelezana tsaho sy ny vaovao tsy marina. Miteraka voka-dratsy maro izy ity satria lasa mampisavorovoro ny fiainana ary mampikorontana ny fisainana sy ny fiainam-bahoaka. Ny tokony ho tsarovantsika dia ny fiezahantsika hijoro hatrany fa tsy ho kivy manoloana izany fanelezana tsaho izany. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB. 

Antitraterin'ny Konsily ny fanajana ny zon'ny olombelona, hihevitra ny namany ho  tahaka ny tenany. Ny tenan'ny olona tsy maintsy hajaina sy tiavina fa ny hevi-diso no tsipahina. Raha ny lôjikan'olombelona dia tsy mila mifampihaino akory ny mpifahavalo, fa mifanohitra amin'izany ny hevitr'Andriamanitra izay handidiani Kristy antsika : Tiavo ny fahavalonao, manaova soa amin'izay mankahala anao... Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB. 

Ny Soratra Masina dia mamporisika hatrany am-piandohana ny vahoaka Israely hahay hihaino an'Andriamanitra. Mihainoa ry Israely (Dt6, 4). Andriamanitra no niavian'ny olombelona ary nataony mitovy endrika aminy isika ka nataony hifankahazo, hifampiresaka ary hifampihaino. Fanehoana fiombonana ny fifampihainoana ary irian'ny jesoa ny hoe "mba ho iray izy rehetra...". Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...