Hoy ny Papa Léon XIII : ny fiaraha-monina rehetra dia mila mpitondra hifehy azy ; ilaina io mba hampiombona. Anjara andraikitry ny mpitondra no mikatsaka ny soa iombonana, mizara izay sahazan'ny tsirairay avy, ary manampy ny tsirairay hitombo sy hivelatra. Ny toetran'Andriamanitra, ilay tsy manavaka fa mitsinjo izay ilain'ny rehetra no tsy maintsy ho toetran'ny mpitondra. Katesizy momba ny fiaraha-monina araka ny hevitr'Andrimanitra, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

Tena ilaina ny fiaraha-monina mba ahatratraran'ny olona ny tanjony. Noho izany mila lanjalanjaina ny tena ilaina sy ny zava-dehibe. Tsy maintsy raisina ho zava-panahy ny fiainana anaty fiaraha-monina satria fifanakalozana fahalalana ao anatin'ny fahamarinana. Hoy ny Pape : Aoka tsy hatao fitaovana ny olona mba  hanatrarana tanjona. Katesizy momba ny fiaraha-monina araka ny hevitr'Andrimanitra, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

Filàna fototra ho an'ny tsirairay ny fiaraha-monina. Ny antso ho an'ny olona rehetra dia ny haneho ny endrik'Andriamanitra Ray sy maneho an'i Jesoa Kristy zanany tokana. Sady antso manokana ho an'ny tsirairay no mahakasika ny olon-drehetra ka zary mahakasika ny fiaraha-monina. Ny fiaraha-monina dia voafaritry ny tanjona kendreny sady manaiky fitsipika manokana. Katesizy momba ny fiaraha-monina araka ny hevitr'Andrimanitra, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

Ny fiadanana tian'i Jesoa ampitaina amintsika dia : ny fampanjakàna ny tena fitiavana sy fahamarinana ; ny fo milamina sy mihavana amin'Andriamanitra ; ny finoana azy ho Tompo sy Andriamanitra ary ny fiekena fa tafatsangan-ko velona Izy. Ny fiadanana dia fahatokisana ny fitantan'Andriamanitra sy ny fahasoavany. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc. 

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...