Ny fitotoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao dia nanomboka nahazo vahana teo amin'ny iraka ataon'ny Eglizy ny taon-jato faha-20. Misy heviny maro ny momba io fitoriana amin'ny endriny vaovao io satria samy nivohy izany na ny Papa Joany Paoly-II na ny Papa Benoît XVI. Ny tena nantsoina hanao io fomba fitoriana io dia ireo tao Eraopa sy Amarika-Avaratra. Katesizy momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao, iarahana amin'i P. Randriamahenina Robert-Marie.

I Jesoa Kristy Tompo no maniraka antsika hitory ny Evanjely amin'ny olona rehetra. Midika izany fa mbola misy olona tsy mandre ny Evanjely. Ny hoe "mitory ny Evanjely" dia manambara amin'ny olona ny Zanak'Andriamanitra. Tsy mijanona eo amin'ny hoe miteny fotsiny,  fa ihany koa mitarika ny olona hahatsapa sy hiaina ny fitiavan'Andriamanitra. Katesizy momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao, iarahana amin'i P. Randriamahenina Robert-Marie.

Ny fitoriana ny "Vaovao Mahafaly" na ny "Evanjely" amin'ny teny frantsay dia hoe "Evangélisation" filazana na fanambarana ny Evanjely amin'ny olona sy amin'ny voahary manontolo izany. Ny fampitana ny Vaovao Mahafaly amin'ny olona ataon'ny Eglizy dia miseho amin'ny fomba maro arakaraky ny toerana sy ny fomba amam-panaon'ny olona hitoriana. Katesizy momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao, iarahana amin'i P. Randriamahenina Robert-Marie.

Ny fianakaviana tsirairay : ray, reny, zanaka dia samy manana ny anjara tandrify azy avokoa amin'ny adidy sahanina any am-piangonana izay miseho amin'ny alalan'ny fidirana Fikambanana Masina na Vaomieran'asa samihafa na ny fanampiana ny pretra. Tsy ampy ny manome vola fotsiny satria ianao mivantana no ilaina. Adidin'ny vita batemy ny fampandrosoana ny Eglizy. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny asam-piangonana, iarahana amin'i P. Rakotoarimanana Nomenjanahary Jean Joachim.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...