Ny fiadanana tian'i Kristy ambara dia ny finoana Azy ho Tompo sy Andriamanitra ary ny fiekena fa tafatsangan-ko velona tokoa Izy, izany hoe nandresy ny fahotana sy ny fahafatesana. Tsy tokony hitebiteby ao am-po ny mpianatr'i Kristy, fa miezaka hianatra sy hahalala ny Soratra Masina ary miaina izany mba tsy ho voafitaka sy voafandriky ny fiainan'izao tontolo izao. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc.
Ny fiadanana tian'i Jesoa ampanjakaina eto an-tany dia ny fampahalalana izany atao hoe lanitra izany. Ny lanitra tiana ho lazaina dia ny fisian'Andriamanitra eo amin'ny fiainan'ny olombelona ; Andriamanitra manjaka eo amin'ny fianana ; olombelona matahotra an'Andriamanitra amin'izay ataony rehetra ka miezaka manaja ny hafa ary ny natiora, manampy antsika ho sambatra. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc.
Ny fiadanana tian'i Jesoa omena dia ny fo milamina sy mihavana amin'Andriamanitra. Fon'olombelona manaiky an'Andriamanitra ho Tompo sy mitantana ny zavatra rehetra. Tsy isika olombelona mihitsy no tompon'ny fiainantsika sy mandidy ny fiainana ary mibaiko izany fiainana izany. Rehefa mikomy ny natiora dia sahirana ny olombelona ary sasatra ny miaro tena sisa. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc.
Rehefa tafiditra tao am-po sy ny fiainan'ny mpianatra ny "fitiavana sy ny fahamarinana", vao mahazo miteny fiadanana sy miaina izany. Ny fiadanana dia fampanjakana ny fitiavana marina sy ny fahamarinana eto an-tany na inona toerana misy anao : na mpitondra Fanjakàna ianao, na mpitondra Fiangonana, na ray na reny, na zanaka na mpianatra na mpiasa sns. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc.
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco