Amin'ny alalan'ny Batemy no handraisantsika na ahazoantsika ny finoana ary tsy vitan'ny hoe azo na raisina fa mila fanabeazana, mila halalinina ary hampitomboina. Tsy mitovy avokoa ny fomba entin'ireo ray aman-dreny maneho ny finoany fa miankina amin'izay fanabeazam-pinoana azony tamin'ireo ray aman-dreniny tany aloha ihany na ireo razany tany aloha. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

Ny Sakramenta dia fitaovana ampiasain'ny Eglizy hanampy antsika hanamasin-tena ary hahafahantsika mahalala bebe kokoa ny misterin'Andriamanitra Fanahy Masina. Ny Eglizy mihitsy no Sakramenta satria ny Eglizy dia famantaram-pamonjena mitarika antsika mankany amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ireo mpitarika ao aminy.Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

Ny Batemy : fankatoavana ny Ray sy ny maha olona. Ny Batemy noraisina dia mahatonga ny lahika hanana anjara toerana eo amin'ny Eglizy sy ny fiaraha-monina. Ny Batemy no tandidon'ny fiombonana ao amin'ny samy lahika na dia ao anaty sampana maro mandrafitra ny Eglizy aza, ary mandrisika ny lahika handray anjara amin'ny asam-pamonjena. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

Ny lahika dia Kristiana vita Batemy rehetra tsy nandray ny Sakramentan'ny Filaharana ary tsy anatin'ny fikambanan-drelijiozy ankatoavin'ny Eglizy. Manana ny fahamendrehana ny lahika noho izy ao anatin'ny vahoakan'Andriamanitra mitovy zo sy hasina eo anatrehan'Andriamanitra sy ny Eglizy. Mila mahay miara-miasa amin'ny Mpitondra ny lahika ary manaiky sy manaja ny rafitra. Katesizy momba ny fiombonan'ny vita batemy, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...