Ny Eveka dia miantoka ny fitoriana ny Evanjely mandrapahatapitr'izao tontolo izao. Ny pretra dia mpanampy mahatoky sy mahefa indrindra an'ny Evekany, ka raisin'ny eveka ho toy ny zanaka sy sakaiza. Ny mihaino azy ireo dia mihaino an'i Kristy ary izay manamavo azy ireo dia manamavo an'i Kristy sy tsy manaraka azy. Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

Ny Eveka no mpandimby ny Apôstôly sy Mpitandrina izay miara-miasa akaiky amin’ny Vikeran’i Kristy. Mpiara-miombon’antoka amin’ny famahanana ny ondriny ny Eveka, tsy mpiasa izy ireo fa tena tompony izay nanankinan’i Kristy fahefana hanamasina ny olony. Tao anatin'ny vavaka tamin'ny Rainy no niantsoan'i Jesoa Kristy ireo Apôstôly 12 mba hiaraka aminy sy hirahiny. Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

Mba haha-iray tsy mivaky na dia ny fivondronan'ny Eveka aza, dia nofidian'i Jesoa Kristry i Masindahy Piera hitarika ireo Apôstôly sisa rehetra. Najorony izy ho loha sy fototra, mandrakizay sy hita maso, ho an'ny finoana sy ny fiombonan'ny Eglizy manontolo. Araka izay voalazan'ny Soratra Masina : Ianao no Piera Vato, eo ambonin'izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko... Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

Ny mpandimby ny Apôstôly, izany hoe ny Eveka, no eken'Izy Jesoa Kristy ho mpiandry ondry ao amin'ny Egliziny Vatany Masina mandra-pahatapitr'izao tontolo izao. Izany no mahasarotiny ny Eglizy ka hitandremany mafy mikasika ny fomba hifidianana izay ho Eveka hiahy ny ondrin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...