Avy amin'ny toetra tsy manan-tsiny no nahazoana ny hatsaram-panahy maha bitika. Fanomezan'Andriamanitra sarobidy izy io kanefa mora simba raha tsy arahana fanabeazana dieny mbola kely. Ny hahafantarana ny hatsaram-panahy mha bitika dia ireto avy : ny fahatsoran-toetra, ny fanetre-tena sy ny fanompoana ny hafa, ary ny fahafoizana tsy misy kajikajy na tambiny. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.
Ankoatra ny fisian'ny fifampitsimbinana ao anatin'ny fianakaviana dia miteraka fifanajana sy ny fanomezan-danja ny talentan'ny tsirairay ihany ko any hatsaram-panahy maha bitika. Miteraka fitonian-tsaina ihany koa ny fananana an'ity hatsaram-panahy maha bitika ity satria manarak ny fandaharan'Andriamanitra ny fiainany izy. Manamafy ny finoan'ny mpianakavy ihany koa izy io. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.
Afaka mianatra ny fanetre-tena amin'i Masina Maria ihany koa ny mpianakavy. Nasehony nandritra ny fampakaram-bady tao Kanà, fa ny fikatsahana soa ho an'ny hafa, fa tsy ho an'ny tena fotsiny no atao hoe fanetre-tena. Afaka mianatra fanetre-tena amin'ny alalan'i Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely ihany koa isika : fanomezana toerana bebekokoa ny hafa eo amin'ny fiainana. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.
Matetika mitarika ratra anaty ho an'olona mandrafitra ny fianakaviana ny fahatsapana fa voailikiliky ny ray aman-dreny na mpiray tampo aminy ny olona iray teo amin'ny fahazazany. Zava-dehibe ny fahaizana mifandray araka ny toetran'ny tsirairay avy, apetraka ho tombony ny fahasamihafan'ny toetra. Mila mitandrina isika amin'ny toetra sasatsasany. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco