Alarobia 12 mey 2021 — Herinadro fahenina fankalazana ny Paka — Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 12-15

Asa telo isan’ny ahafantarana ny Fanahy Masina indray no antitranterin’ny Evanjely anio hodinihintsika. Voalohany indrindra dia ity : manampy antsika mpianatr’i Jesoa Kristy hahafantatra misimisy kokoa ny marina ny Fanahy Masina. Midika izany fa hohazavainy amintsika tsikelikely ny fanambarana mahakasika ny misterin’Andriamanitra izay nataon’i Jesoa ka amin’alalan’ny finoana sy ny fahazavan-tsaina homeny antsika no hanampy antsika ho tonga amin’izany.

Hitondra antsika hankany amin’i Jesoa Kristy, ilay Marina rehetra ihany koa ny Fanahy Masina. Izany hoe hampahafantariny amintsika hoe iza moa i Jesoa Kristy ary inona avokoa ny hevitr’ireo Teny nolazainy sy ny fihetsika nasehony.

Farany, hanambara ny zavatra ho avy ny Fanahy Masina. Izany hoe hanambara ny hevitr’ireo zava-mitranga isaky ny vanim-potoana iainantsika olombelona Izy kanefa amin’ny alalan’ny Fanambaran’Andriamanitra ny tenany ao anatin’ny Soratra Masina izay tsy mitsaha-miasa ao amin’ny Fiangonana no fototra hiaingany amin’izany. Mba hahatanteraka izany dia ny fomba famakiana ny tantara no tsy maintsy miainga avy amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy. Ohatra, raha vakintsika miainga avy amin’ny zava-misy ankehitriny ny tantara dia toa ny ratsy no mandresy (herisetra, kolikoly, aretina Coronavirus…) ; fa raha vakiana miainga avy amin’i Kristy Jesoa kosa ny tantara dia fantatra mazava tsara kokoa fa ny fitiavana no tompon’ny teny farany na dia tsy tena hita mazava tsara aza ny fandreseny amin’izao fotoana izao.

Manampy antsika hanomana tsara ny fankalazana ny Pantekôty ny fahafantarana an’ireto anjara asa telon’ny Fanahy Masina ireo. Hitondra vokatra eo amin’ny fiainantsika izany fahafantarana izany, indrindra amin’izao fotoana sarotra izao, izay mampihena ny fanantenana sy ny finoana vokatr’ity valan’aretina Coronavirus ity.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...