Alakamisy 13 mey 2021 — I Jesoa Krisy niakatra any an-danitra — Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 16, 15-20

Mankalaza amin’ny fomba manetriketrika an’i Jesoa Kristy niakatra any an-danitra ny Fiangonana anio. Ilaintsika amin’izao fotoana izao, izay miaina ao anatin’ity valanaretina ity ny mahalala ny hevitra fonosin’ity fety ity araka ny voalazan’ireo Tenin’Andriamanitra izay naroson’ny Fiangonana ho antsika.

Voalohany indrindra dia manambara ny fidiran’i Jesoa ao amin’ny voninahitra ny fetin’ny Fiakarana : "Ary rehefa niteny tamin’izy ireo i Jesoa Tompo, dia nakarina any an-danitra, ka mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra". Midika izany fa manaraka ny fitsanganan-ko velona ny fandraisana voninahitra ary manomboka eto dia ho vaovao tokoa ny fomba fisian’i Jesoa Kristy eo afovoan’ny mpianany fa tsy toy ny taloha intsony, kanefa tsy mitsahatra ny manohana ny asan’ireo mpitondra ny Teniny Izy ary manokatra an’ireo liana ny hihaino Azy.

Faharoa manaraka izany, manosika antsika hiandrandra any ambony ity fetin’ny Fiakarana ity : "Raha mbola nibanjina ny lanitra teo izy ireo…". Manambara zavatra tsara, avo razana sy mendrika rehefa milaza ny hoe "ny any ambony" ny Testamenta Taloha fa ny aty ambany kosa ireo zavatra ratsy toy ny Seoly, fahafatesana... Asaina isika manomboka amin’izao fetin’ny Fiakarana izao mba hieritreritra ny zavatry ny lanitra ; asaina mba tsy hitanondrika amin’ny tany noho ny valanaretina, noho ny olam-piainana isan-karazany, fa mila mitraka kosa sy mila miandrandra ny lanitra fa ao no hahitantsika ny hevitry ny fiainana sy zava-mitranga amin’izao fotoana iainantsika izao.

Farany manosika antsika hirotsaka amin’ny asam-pitoriana izao Fetin’ny Fiakarana izao. Tsindrian’ny evanjelista Marka kokoa io lohahevitra io satria io no anombohana ny Evanjely vakiana izao ary io koa no amaranany azy. Asaina isika ny hanao jery todika ny asam-pitoriantsika ny Vaovao Mahafaly amin’izao fotoana izao, mba hahomby bebe kokoa. Mila torina aminy amin’ny voaary rehetra ny Evanjely satria tian’Andriamanitra ho voavonjy izy ireo. Ireto manaraka ireto kosa ny dingana arahina amin’izany asam-pitoriana ny Vaovao Mahafaly izany : mila torina amin’alalan’ny oha-piainana fa tafatsangan-kovelona tokoa i Jesoa Kristy Tompotsika. Mampitsiry finoana ao amin’ireo mpihaino ny fahatsapan’ny kalitaon’izany oha-piainana izany ary dia hangataka hatao batemy izy ireo. Amin’izao fotoana izao anefa dia mila velarina amin’ny sehatra maromaro ity asa fitoriana ny Evanjely ity toy ny firotsahana amin’ny fampanjakana ny rariny sy ny hitsiny ary ny fiadanana ; fikelezana aina amin’ny fanafahana ireo mahantra sy mijaly noho ny karazam-panagejana mahazo azy ireo. Angatahantsika àry ny fahasoavan’Andriamanitra hanampy antsika hanatanteraka an’ireo fanamby rehetra ireo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...