Alahady 16 mey 2021 — Alahady fahafito fankalazana ny Paka — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 11b-19

Mbola ao anatin’ny fankalazana ny Paka isika, herinandro fahafito amin’ity alahady ity, mialoha ny Fankalazana manetriketrika ny Pantekôty. Araka izany ao anatin’ny hasivianandro ihomanana amin’ny hidinan’ny Fanahy Masina. Koa ny ampahany faharoa amin’ny vavaka nataon’i Jesoa Mpisorom-be mandrakizay no aroso ho dinihina amin’izany.

Voalohany aloha, modely ho antsika i Jesoa mivavaka satria na Andriamanitra aza Izy mbola mivavaka, ka mitodika amin’ny Rainy naniraka Azy ny vavaka nataony tamin’izany, sady efa tafiditra ao sahady isika ankehitriny. Izany hoe vavaka misokatra amin’ny hafa fa tsy vavaka salobon-komana na vavaka miolonolona. Aiza ho aiza amin’izany ny antsika ? Aza miandry hoe anjaran-dry mompera na ry masera na ry frera no mivavaka fa isika mianakavy dia efa mpisorona avokoa noho ny batemintsika, fa misongadina kokoa izany ho an’ireo nanokan-tena manokana sy ireo mpandraharaha voahosotra ka manao ny vavaka ho vaindohan-draharahany. Mila vavaka izao vaninandro iainantsika izao, indrindra ao anatin’izao fipariahan’ny valan’aretina izao, ataovy totoafo mihitsy. Izy aza moa mivavaka fa vao mainka isika ! Tena mila mivavaka mihitsy.

Manaraka izany, lazain’i Jesoa amin’ity vavaka nataony ity ny hitahirizan’ny Ray antsika amin’ny Anarany. Tsy hoe teherizina tsy ho ampiasaina fa tena ilaina satria sarobidy loatra ho azy isika ka tsy azo arina fahatany. Koa rehefa tsara tahiry isika dia tena hiombom-piainana aminy, ka aiza indray no mihoatra izany ! Tsy izany ve no tanjona ! Eo anatrehan’izany, tandremo sao hanin’ny kalalao na kadradraka isika ka mivaro-mora ny finoana efa notanantsika sy narahina hatramin’ny nahavitana Batemy. Tsarovy mandrakariva fa tahirin’Andriamanitra isika fa tsy an’olona fotsiny ! Koa eo anatrehan’ny zava-tsarotra sy manahirana, dia arovany mandrakariva isika : arovany amin’ny ratsy, amin’ny manahirana, amin’ny fanenjehana, amin’ny aretina, amin’ny fahavalo mitady handrombaka antsika. Mbola porofom-pitiavany izany.

Fanampin’izany, araka ny voalazantsika teo, tsy hoe teherizina ho lo ao fotsiny isika fa irahiny ihany koa, toy ny nanirahan’ny Ray azy. Izany hoe iraka miampita izany, iraka manana lasitra arahina fa tsy mandehandeha fahatany any. Koa raha irahina, ny maha tafita hafatra no tanjona. Tandremo ary sao mitelin-kafatra na manodikodin-kafatra na mamadika hafatra. Itokisany isika matoa irahiny.

Farany tiana ifampizarana ny hoe : manamasina antsika ny fanatanterahana izany iraka izany am-pahamarinana, araka ny voalazany rahateo, "manamasina ny Tenako ho azy ireo Aho, mba hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy". Izany hoe : maniraka ny batemintsika fa tsy mampipetrapetraka ka izay ataontsika iainana io Batemy io no manamasina antsika, ka izy Kristy no lasitra ho antsika amin’izany. Tandremo manao kinanga ka miendaka na miala amin’ny lasitra, na variana mitobaka eny ivelany na variana zavatra hafa ka hadino ny tena zavatra. Araka izany, tsy ampy ny hoe kristianina tsotra fa tsara kokoa ny kristianina mandray andraikitra, mirotsaka miasa eo amin’ny sahan’Andriamanitra amin’izay sehatra misy. Koa alao hery àry fa aza mitaredretra, fa ny Tompo anie no tompointsika. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...