Alarobia 13 oktobra 2021 — Herinandro fahavalo amby roapolo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 42-46

Karazana fanamelohana an’ireo vondron’olona natao hitondra ny vahoakan’Andriamanitra no lazain’ny Evanjely anio, dia tsy iza izany fa ny farizianina sy ny mpanora-dàlana. Tsindraindray mitovitovy amin’izy ireo ny fihetsika asehotsika kristianina amin’olona, koa tsara raha hofantarintsika hoe inona avy ireo fiheverana sy fihetsika ary inona ny ezaka hataontsika :

  • Mihevi-tena ho notsongoin’olom-bolo eo amin’ny fiaraha-monina ny farizianina ary heverina fa izy irery no miavaka amin’ny rehetra fa ny vahoaka sisa kosa heverina ho maloto fiainana, mpanota matevin-koditra ka tsy azo atao ny mifampikasikasika aminy. Toy izao no fandraisan’ny farizianina ny atao hoe "fahadiovam-pitondran-tena" : fanalavirana ny besinimaro izay aseho amin’ny alalan’ny fananganana tamboho avo dia avo sy fametrahana alika masiaka sy mpiambina nalaina avy amin’irony orin’asa matianina amin’ny fiambenana irony ; ny fahadiovam-pitonran-tena dia ny fanatanterahana antsakany sy andavany tsy misy tomika ireo fepetra sy fombafombam-pivavahana.
  • Te-hitazona ny fanalahidin’ny fahalalana mahakasika ny làlana indray ry zareo mpanora-dàlana ka mila mankany aminy avokoa ny olon-drehetra raha te hahalala, ary anjarany no mamaritra hoe mety ny fihetsiko manoloana an’Andriamanitra na tsia.

Mila manaraka an’ilay fomba fiainana nambaran’i Jesoa Kristy isika kristianina raha toa ka ho vonona hiady amin’ireto karazana valan’aretina ara-panahy voalaza teo aloha ireo, ka noho izany :

  • Fantaro fa ny fahadiovam-pitondran-tena eo anatrehan’Andriamanitra dia tsy mifototra fotsiny amin’ny fanarahana tsy misy tomika ireo fombafomba fivavahana fa ilaina ny fahafoizantsika ny tenantsika manontolo hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra ary ny firotsahantsika amin’ny asa fiantrana ireo sahirana eo akaikintsika, ka atao am-pahanginana izany fa tsy ilana dokam-barotra velively.
  • Mila manampy ny olona hiditra ankalalahana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ihany koa isika ; mila ampiana izy ireo ho afaka handray ny Vaovao Mahafalin’i Jesoa Kristy. Izany tokoa no fihetsika tokony hananan’ireo mahalala bebe kokoa ny Làlan’Andriamanitra, izany hoe mila manana fahavononana sy faharetana isika ny hitarika ny olona hifandray amin’Andriamanitra manoloana ny fahelemeny sy manoloana ireo votsavotsa mandray zavatra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...