Talata 19 oktobra 2021 — Herinandro fahasivy amby roapolo mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 35-38

Mitaona antsika i Jesoa mba ho vonona mandrakariva, tsy mandry andro aman’alina, tsy hanjehy ny andro ho lava fa hisikim-ponitra avy hatrany, hitondra ny jiro mirehitra. Tsarovy fa mitafy an’i Kristy isika natao Batemy, nandrehetana jiro mba ho fahazavana toa an’i Kristy Fahazavana ; ka aoka tsy ho faty izany jiro izany, aoka isika ho malina mandrakariva. Tsy ampy mantsy ny mandrehitra jiro fa tsy maintsy tandremana tsy ho faty koa, arovana amin’ny rivotra sy ny mpisompatra. Betsaka ny rivo-pahavalo mety hamono izany. Tsy voatery ny hafa fa mety ho avy amintsika koa aza. Avy any ivelany ohatra ny hamafin’ny fiainana, ny ohatra ratsy asehon’ny manodidina na ny mpitarika, na amin’ny teny izany na amin’ny atao, eo ny tsy fahazakana tenenina, eo ny rabiraby ataon’ny hafa… avy amin’ny tena indray : eo ny tsy fahampian’ny finoana, eo ny mivaro-mora ny finoana, eo ny mivadi-pinoana na sahy manipaka izay noraisina, eo ny tsy mahatanty mena miraviravy, eo ny finoana marefo tsy halalinina…

Ny finoana anefa toy ny fefiloha ka mila hatevenina hatrany, toy ny "antivirus" amin’ny solosaina ka ho simba izay tsy maharaka toetr’andro. Aoka ho toy ny mpiambina ka tsy hatory fa hiambina tsara : mahay mitily, miaro ny tanàna na izay arovana, tsy mamela ny fahavalo ho tafiditra. Tsy afa-miala amin’izany isika rehetra, noho ny Batemintsika. Izany hoe, voairaka hitily sy hiambina hatrany isika, hampiasa io Batemy io fa tsy hampirina azy anjoron-damba na anaty vata sarihana.

Zava-dehibe atoron’i Jesoa amin’ity Evanjely ity, amin’ny mpanompo miambina tsara ny hoe hisikina mihitsy Izy Tompo ka hampipetraka sy hampihinana, rehefa ho avy Izy ka mahatratra antsika miambina ! Lasa mifamadika ny rasa amin’izany ka ny asan’ny mpanompo lasa ataon’ny tompony ! Hasambaran’ny mpanompo mahay miambina tsara izany ! Hasambarana tonga lafatra, tsy misy toy izany.

Koa na mampatory sy mampiesona aza izao andro diavintsika izao, fa maro ireo fahavalo mandrebireby sy mitady handrendrika na hamatotra antsika, dia tandremo tsara mba tsy ho sondrian-tory na ho rendremana izany isika, satria efa ary fitaovana noho ny Batemy noraisintsika. Hamafisina hatrany izany amin’ny firosoantsika amin’ireo sakramenta hafa sy ny firotsahana mandray andraikitra ato amin’ny Eglizy. Amin’izay ho tratran’ny hasambaran’ny mpanompo tsara sy mahatoky dia hampihinana antsika Izy Tompo any amin’ny hasambarany. Ho to amintsika tokoa anie izany. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...