♦ Fararanom-pahasoavana ny volana aogositra satria amin'io fotoana io no atokan'ny Fiangonana Katôlika, hanamasinana ho pretra sy diakra ireo zanaky ny Fiangonana. Nanatanteraka izany tamin'ny sabotsy teo ny tao amin'ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy... ♦ Nanatanteraka fivahinianana masina nanamarihana ny nahatongavan'ny Misiônera Montfortains teto Madagasikara, nankalazana nihany koa ny faha-350 nahaterahan'i Masindahy Louis-Marie Grignon de Montfort...

♦ Manatanteraka fiofanana ireo katesista ao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé, ka ao amin'ny "Centre d'accueil" Mandritsara no hanatanterahana izany... ♦ Notontosaina nanomboka ny faha-9 ary hifarana ny alatsinainy 13 aogositra 2023, ny Filankevitra Nasiônaly, tanterahan'ny Vovonam-pirenena Katôlika'ny Lehibe, eny amin'ny Akany Mariazy Mirindra Ambohipo... ♦ Hotontosaina ny alahady 13 aogositra 2023, ny fandraisana an'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona eto ami'ny Diôsezin'Antananarivo sy ny Distrikan'i Namehana, toerana izay nahabe azy...

♦ Hotanterahana any Seoul, Corée Atsimo ny JMJ eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena amin'ny taona 2027... ♦ Mba ho fampiroboroboana ny sehatra ikatrohan'ny vaomieran'asa "Justice et Paix", nisy fivoriana notontosain'izy ireo tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo, ho an'ny "Justice et Paix" ao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Fankalazana jobily maha relijiozy sy voady mandrakizay nataon'ireo masera avy amin'ny Fikambanana "Filles de Marie Auxiliatrice" no nanamarika ny sabotsy teo, ho an'ity fikambanan-drelijiozy Saleziana Don Bosco ity...

♦ Hafatra avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka ho an'ny ankizy, manentana azy ireo mba ho ankizy apôstôlin'ny ankizy marina tokoa, eo amin'ny lafim-piainana rehetra... ♦ Manolotra fisaorana sy fankasitrahana ho an'ireo rehetra nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka ny JNE-3, notontosaina teto Antananarivo, ny Vikera Jeneraly eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Hanatanteraka ny "pèlerinage" nasiônaly ny avy eo anivon'ny "Aumônerie militaire"...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...