♦ Ankalazaina ny 27 mey 2023, ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie, Jean Marie Vianney, ao amin'ny Diôsezin'i Moramanga, iombonan'ny Arsidiôsezy Atsinanana... ♦ Nanatanteraka fiofanana tao anatin'ny telo andro tao Befotaka, ireo Kômity mpanatanteraka, Diôsezin'Ambanja MDMK-CVX... ♦ Nitombo iray indray ny isan'ny fiangonana iandraiketan'ny fikambanan'ny Pretra Karma any amin'ny Diôsezin'i Moramanga...

♦ Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire Saint François de Sales, Analamasôva, ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Nanokatra ny fankalazana ny faha-160 taonany ny Gardes d'Honneur an'ny Fo Masin'i Jesoa maneran-tany, ny tao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga, omaly... ♦ Iraka isika, hoy ny hafatry ny Eveka ao amin'ny Diôsezin'Ambanja, nandritra ny fitsidihana pastôraly notanterahany tao amin'ny EKAR Luigi Orione, Distrikan'i Begavo...

♦ “Nikely aina mandrakariva koa aho mba tsy hotsinin’ny feon’ny fieritrertako, na eo anatrehan’Andriamanitra, na eo anatrehan’ny olombelona”. Io no lohatenin'ny hafatra izay natolotry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny niatrehan'izy ireo ny Fivoriambe sy ny laretirety, izay nanomboka ny 1 mey 2023... ♦ Notendren'ny Papa François ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Diôsezin'i Morondava, androany 19 mey 2023, i Mompera Jean Nicolas Rakotojaona, Pretra diôsezanina avy amin'ny Diôsezin'Antananarivo...

Hotanterahina ny 02 jolay 2023 ny fanamasinana ho Eveka an’i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, koa manentana ny vahoaka ao Menabe mba hitondra am-bavaka azy ny Evekan’i Morondava, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 jolay 2026

• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...