♦ Fanamby lehibe ho an'ny Diôsezin'i Moramanga ny fanatonana ny vahoaka amin'ny fanatanterahana ny Sinaody... ♦ Notsofin-drano tamin'ny sabotsy 21 mey 2022 ny "podium" ao Soavimbahoaka, ho fahatsiarovana an'i Fr. Raphaël-Louis Rafiringa... ♦ Marihana ny 22  hatramin'ny 29 mey 2022 ny fahafito taonan'ny Ansiklika "Laudato Si'", nosoratan'ny Papa François...

♦ Lalana sy fitaovana entin'ny pretra manamasin-tena ny fiofanana maharitra, io no nivoitra tamin'ny fihaonan'ireo tompon'andraikitry ny fanofanana maharitra ny pretra, teny Ambatoroka ny 18 sy 19 mey 2022... ♦ Nomarihana ny 18 mey 2022 ny fankalazana ny faha-42 taonan'ny Sekoly Venance Manifatra (SEVEMA), ao amin'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Nivahiny nandritra ny telo andro tany Ukraine i Mgr Paul Gallagher, Sekreteram-panjakana misahana ny fifandraisana amin'ny firenen-kafa ao amin'ny Fiketrahana Masina...

♦ Samy nankalaza Eokaristia Masina ho fisaorana an'Andriamanitra ny mpanara-dia an'i Fr. Charles de Foucauld sy P. Guistino Russolillo, ary i Sr. Marie de Jésus, eto Madagasikara, noho izy ireo nasandratra ho Olomasina... ♦ Notanterahana tao Toamasina ny 15 mey 2022 ny andro nasiônalin'ny TAMPIKRI... ♦ Nosokafana ny 15 mey 2022 ny jobily faha-100 taonan'ny batemy voalohany tao amin'ny EKAR Masindahy Louis, Manakara, Vohipeno...

♦ Nitsidika ny VDKT Tsiroanomandidy ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Tanora, hanamafy ny fanentanana amin'ny fandraisana anjara amin'ny JMJ Mada X... ♦ Tontosa ny 7 mey 2022, ny fankalazana ny faha-100 taonan'ny Sekoly Katôlika Victoire Rasoamanarivo, ao Mananjary... ♦ Nanao filan-kevitra nasiônaly tsy ara-potoana ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...