♦ Any amin'ny Diôsezin'i Mananjary indray no hanatontosana ny Andron'ny Lahika amin'ny taona 2022... ♦ Hitan'i Jesoa ny fifanoherana teo amin'ny fihetsik'ireo mpanora-dalana sy ilay vehivavy mpitondra tena, tao an-tempoly. Nifantoka tamin'io Evanjely io omaly io, ny fampianarana nentin'ny Papa tamin'ny Angelus... ♦ Fahatsirovana, fitiavana ary fankaherezana no hevitra telo nasongadin'ny Papa tamin'ny toriteniny, nanamarihana ny faha-60 taonan'ny sampana fandalinana ny fitsaboana sy fandidiana tao amin'ny Oniversiten'ny Fo Masin'i Jesoa tao Roma...

♦ Manentana ny rehetra hivavaka ho an'ireo olona mijaly noho ny harerahan-tsaina ny Papa François, mandritra ity volana novambra ity... ♦ Seminarista 51 avy amin'ny diosezy 13 no natokana ho mpamaky teny sy mpanotorna teny amin'ny Théologat Faliarivo, ny 31 oktobra 2021... ♦ Nanatanteraka ny fitsidihana pastôraly tao amin'ny diôsezin'Ambanja ny 22 ka hatramin'ny 30 oktobra 2021, ny Administrateur Apostolique, Mgr Benjamin Marc Ramaroson, Arsevekan'Antsiranana...

♦ Nifantoka tamin'ny fomba hanampiana ireo olona tsy manana sora-piankohonana sy ny kara-panondrom-pirenena ary ny ady amin'ny kolikoly ny fihaonamben'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny fampanjariana ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara... ♦ Miaina ao anatin'ny tebiteby noho ny tsy fandriam-pahalemana ny vahoaka ao amin'ny Faritra Melaky. Mangataka ny fanomezan-tanana avy amin'ny fanjakana mahefa ny Fiangonana mba hamahana ny olana...

♦ "Ambony noho ny zavatra rehetra ary masina ny zaza ao am-bohoka, na tsy fidiny na nirina, na nampoizina na tsia, satria avy amin'Andriamanitra ny aina", hoy ny eveka eto Madagasikara... ♦ Nankalazaina androany ny fetin'i Masindahy Joany Paoly Faharoa. Nankalaza izany ny Fikambanan'ny pretra Spiritains any Antsiranana sy ny Lycée Saint Jean-Paul II ao Mandritsara, Port-Bergé...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 jolay 2026

• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...