♦ Manatanteraka ny Fivoriambe faharoa fanaony isan-taona, ao amin'ny Episcopat Ambatoroka, ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ny 5 hatramin'ny 15 nôvambra 2024... ♦ Mirehi-pitiavana ho an'i Jesoa, manokan-tena ho an'ny tanora. Io no manentana ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, ho an'ny Chapitre Général CG29...
♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Farafangana, ny 31 ôktôbra 2024, i Mgr Marcellin Randriamamonjy, Evekan'i Fenoarivo Atsinanana... ♦ Notontosaina ny 3 nôvambra 2024 ny Eokaristia Masina fanokafana ny taom-piofanana 2024-2025, ho an'ny Grand Séminaire de Théologie, Masindahy Jean Marie Vianney, Mangarivotra Moramanga... ♦ Loharano sy fototra ny fo, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny 3 nôvambra 2024...
Notendren’ny Papa François ho Evekan’ny Diosezin’i Farafangana, androany 31 oktobra 2024, i Mgr Marcellin Randriamamonjy, Evekan’i Fenoarivo-Atsinanana. Izy izany no handimby an’i Mgr Gaetano Di Piero, izay nitondra ny Diosezin’i Farafangana nanomboka ny 3 marsa 2018 ka hatramin’izao. Teraka ny 12 aprily 1963 tao Sandrandahy, Diosezin’Ambositra, i Mgr Marcellin, ary tao ihany izy no nanomboka ny fanabeazana fototra.
♦ Eokarisita Masina hotanterahana eny amin'ny Katedraly Andohalo no handraisan'ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo ny Lakroan'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria... ♦ Nankalazaina ny 27 ôktôbra 2024 ny andron'ny Vikaria Episkôpaly Afovoany, tao amin'ny EKAR Masindahy Louis Mpanjaka Fenomanana... ♦ Hangataka ny famonjena tahaka an'i Bartimé jamba isika, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus ny 27 ôktôbra 2024...
• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco