Mirary soa ho an'ny vahoaka Malagasy rehetra ny Filohan ny FFKM, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, Arsevekan'Antananarivo, mba hanjaka eto amin'ny firenena ny marina, amin'izao taona vaovao 2022 izao.

Mankahery ny mpitondra fanjakana sy ny mpitondra Fiangonana izy mba hampanjary ny rariny sy ny fahamarinana mba hahitan'ny vahoaka ny lalana izorana, hahatrarana ny tanjona iraisana : ny fampandrosoana hanoherana ny fahantrana. Mirary an'ity taona 2022 ity ho taonan'ny fifampitsinjovana, ny fifanampiana, ny fampihavanana ary ny fanantenana ho an'ny vahoaka Malagasy rehetra, indrindra ireo niharam-boina noho ny valan'aretina, ny loza an-dranomasina tany Soanierana Ivongo ary ireo nilatsaham-potaka tany Tsiroanomandidy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...