Mirary soa ho an'ny vahoaka Malagasy rehetra ny Filohan ny FFKM, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, Arsevekan'Antananarivo, mba hanjaka eto amin'ny firenena ny marina, amin'izao taona vaovao 2022 izao.

Mankahery ny mpitondra fanjakana sy ny mpitondra Fiangonana izy mba hampanjary ny rariny sy ny fahamarinana mba hahitan'ny vahoaka ny lalana izorana, hahatrarana ny tanjona iraisana : ny fampandrosoana hanoherana ny fahantrana. Mirary an'ity taona 2022 ity ho taonan'ny fifampitsinjovana, ny fifanampiana, ny fampihavanana ary ny fanantenana ho an'ny vahoaka Malagasy rehetra, indrindra ireo niharam-boina noho ny valan'aretina, ny loza an-dranomasina tany Soanierana Ivongo ary ireo nilatsaham-potaka tany Tsiroanomandidy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 12 ôktôbra 2026

• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...