♦ Tokony ho hita taratra amin'ny fiainan'ny mpamaky sy mpitory teny ny tenin'Andriamanitra, hoy i Mgr Fabien Raharilamboniaina, Evekan'i Morondava, Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Katedraly Andohalo, ny alahady 23 janoary 2022 ny fanamarihana ny Herinandro hivavahana ho an'ny Firaisan'ny Kristianina... ♦ Mifantoka amin'ny fahaizana mifampihaino ny hafatra ho an'ny Andro eran-tany faha-56 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona...

[audio src="/images/sounds/mdl-20220124.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 jolay 2026

• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...