♦ Notontosaina ny 29 sy 30 jona 2022 ny fihaonana voalohany ho an'ireo Ekipa nasiônaly, namondronana ireo valim-panontaniana rehetra manodidina ny Sinaodin'ny Eveka... ♦ Hotontosaina ny 9 sy 10 jolay 2022 ny fivoriana faharoa ho an'ny Filankevitra Fitondrana ny Vahoakan'Andriamanitra, eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, eny amin'ny FTMTK Ambohipo... ♦ "Aza manao hoe zaza aho, fa handeha any amin'izay hanirahako anao ianao" (Jer. 1, 7a). Io no teny manentana amin'ny fanatanterahana ny Andron'ny Ankizy eny amin'ny FTMTK sy ny Seminera zandriny Ambohipo, nanomboka androany...

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...