♦ Any amin'ny Diôsezin'i Mananjary indray no hotontosaina ny Andron'ny Lahika, amin'ny taona 2023... ♦ Ezaka ataon'ny Lahika tsirairay avy ny ho tonga fanasina, hanome tsiro mahavelona ny fiainana andavanandro, hoy ny hafatry ny Filohan'ny Vaomieran'ny Eveka Misahana ny Asa fanirahana ataon'ny Lahika, Mgr Jean de Dieu Raoelison... ♦ Zanaky ny Fiangonana miisa 677 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Vikaria Episkôpaly Afovoany, teny amin'ny kianjan'ny Kôlejy Masina Misely Amparibe...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...