Manatanteraka fitsidihana-fivahiniana masina antsoina amin'ny teny mahazatra hoe : "Visite ad limina"- ny Fivondronam-ben'ny Evekan'i Madagasikara. Any amin'ny Bazilikan'ny apostoly ao Roma, ary isaky ny dimy ny taona no anatanterahana izany. Mivavaka, mihaona sy mitafa amin'ny Ray masina ary mitsidika ireo sampan-draharaha samihafa ao Vatican no ataon'izy ireo mba hikatsaka ny soa ho an'ny fiainan'ny Eglizy sy ny vahoakan'Andriamanitra. Fandaharana iarahana amin'i P Jean Séraphin Rafanomezantsoa, Secrétaire de coordination, Fivondronam-ben'ny Eveka eto Madagasikara

[Miara-dalana] Alatsinainy 27 marsa 2023

♦ Nanamarika ny 25 marsa ny MDMK-CVX tao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga, ny sabotsy teo. Nandritra izany ihany koa ny nakofana tamin'ny fomba ôfisialy ny faha-100 taoan'ny Antilin'i Madagasikara... ♦ Manohy hatrany ny fitsidihana pastôraly izay tanterahany ao amin'ny Diôsezin'Ambanja i Mgr Donatien Randriamalala, ka ny Paroasin'i Maromandia no nadehanany omaly... ♦ Fomba iray hanehoana ny finoana ny fivahinianana masina, ka tokony hitodika bebe kokoa amin'Andriamanitra isika, hiala amin'ny fitiavan-tena, hikajy ny tontolo iainana, io no fanentanana nataon'i Mgr Benjamin Marc Ramaroson, nandritra ny pèlerinage notontosaina teny amin'ny Montagne des Français, ho an'ny tao amin'ny Arsidiôsezin'Antisranana...

Tohiny...

Tsara ny Noely, raha...

Mitondra ny teny fiarahabana sy firarian-tsoa ho antsika, amin'izao fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'ny Mpamonjy izao, i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...