♦ Asa fanirahana amin'ny endrika vaovao ny fanendrena maha eveka, hoy i Mgr Donatien Francis Randriamalala, Evekan'Ambanja... ♦ Homarihana amin'ny antsam-panahy sy famelabelaran-kevitra manoloana ny fivarotam-boky Masindahy Paoly Analakely, ny sabotsy 21 janoary 2023, ny fankalazana ny alahadin'ny Tenin'Andriamanitra... ♦ Hitarika ny Sorona Masina hankalazana ny “alahadin'ny Tenin'Andriamanitra” ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny Papa François amin'ny alahady 22 janoary 2023...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...