♦ Nanatontosa ny atrik'asa fandravonana ny angonan-kevitra ho an'ny Sinaody "Eglizy miara-dia", dingana kaontinantaly ireo solontenan'i Madagasikara, ny 15 ka hatramin'ny 19 febroary 2023... ♦ Nosokafana ny alahady 19 febroary 2023 ny Aumônerie Catholique Universitaire ao amin'ny Diôsezin'Ambositra... ♦ Sorona Masina tamin'ny fombam-pivavahana bizantinina, notarihin'ny Sekreteram-panjakana misahana ny fifandraisana amin'ny firenen-kafa ao Vatican, Mgr Paul Gallagher, no nanamarihan'ireo mpino okreniana ny tsingiren-taona voalohan'ny adin'n'i Russie sy Ukraine, ny talata 20 febroary 2023...

[audio src="/images/sounds/mdl-20230224.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 12 ôktôbra 2026

• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...