♦ Notontosaina tamin'ny talata teo ary hifarana rahampitso ny fihaonana izay fanao isan-taona, ho an'ny Fianakaviambe Salezianina eto Madagasikara... ♦ Hotontosaina ny 15 sy 16 aprily 2023 ny pelerinazy diôsezanina, iarahana amin'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa, izay hakalazaina ny 17 aprily 2023 ny fetiny... ♦ Nohamafisin'ny Papa François ho an'ny vavaka ho an'ity volana aprily ity, ny fampanjakana tanteraka ny fandriampahalemana, ka anisan'ny ezaka atao amin'izany ny tsy fampiasana fitaovam-piadiana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...