Nankatoavin’ny Papa François ny fangatahan’i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona hitsahatra amin’ny fitantanana ny Arsidiôsezin’Antananarivo ary notendrena handimby azy i Mgr Jean de Dieu Raoelison, Evekan’Ambatondrazaka.

Teraka ny 31 jolay 1963 tao Arivonimamo i Mgr Jean de Dieu Raoelison. Ny taona 1981 izy no niditra teny amin’y Seminera zandriny Ambohipo, nanomboka ny fiofanana ho pretra. Nanao “stage” na fianarana asa tao amin’ny Foibe FTMTK Ambohipo Antananarivo ny taona 1986, ary nanohy izany tany Miarinarivo Belanitra, distrikan’Ambohitsoabe ny taona 1987.

Ny taona 1988 ka hatramin’ny 1991, nianatra ny filôzôfia tao amin’ny Seminera zokiny Manantenasoa Antsirabe, avy eo nanao ny fianarana asa na ny “régence” tao amin’ny Seminera aivo Ambohipo.

Ny 1993 ka hatramin’ny 1996 izy no nanohy ny fianarana teôlôjia teny amin’ny Seminera zokiny Ambatoroka ka nohamasinina ho diakra tao amin’ny Katedraly Andohalo ny 12 aogositra 1995, ary nohamasinina ho pretra ny 07 septambra 1996.

Nanohy ny fandalinana ny teôlôjia tao amin’ny Institut Catholique de Madagascar Ambatoroka izy, sady notendrena ho vikera tao Ilanivato ny taona 1997, avy eo niandraikitra ny distrikan’i Fenoarivo.

Ny taona 2000, voatendry ho mpanabe tao amin’ny Seminera Zokiny Manantenasoa Antsirabe.

Voairaka ho misiônera tany Italia, Diosezy Urbino, niandraikitra ny Paroasy Lamoli izy ny taona 2003, ka nanohy ny fianarana tany Suisse tao Lugano ny taona 2004, nanomana ny fahazoana ny mari-pahaizana Doctorat en Théologie. Tafaverina teto Madagasikara ny taona 2008 ary voatendry ho mpanabe sady mpampianatra teny amin’ny Seminera zokiny Faliarivo.

Ny volana aogositra 2009, notendrena ho Secrétaire de Coordination tao amin’ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara izy, ary ny 25 marsa 2010 no notendren’ny Ray masina ho Eveka mpanampy teto Antananarivo, ary nohamasinina ho Eveka teo amin’ny Kianja Masina Misely ny 13 jona 2010.

Ny 11 aprily 2015 izy no notendren’ny Papa François, ho Evekan’Ambatondrazaka, handimby toerana an’i Mgr Antoine Scopelitti, ary napetraka araka ny fomban’ny Eglizy amin’ny maha-Evekan’Ambatondrazaka azy ny 14 jona 2015.

Nandritra ny valo taona no nitantanany ny Diosezin’Ambatondrazaka dia izao voatendry ho Arsevekan’Antananarivo izao izy.

Araka ny lalan’ny Fiangonana, andininy faha-401, paragraphe voalohany, ny Eveka feno 75 taona dia mametraka ny taratasy fangatahana hitsahatra amin’ny asa fitantanana ny diôsezy amin’ny Ray masina, ka efa nanatanteraka izany i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona izay feno 75 taona tamin’ny 24 mey 2021.

Manoloana an’izao fanendrena izao dia mitondra ny teny fisaorana ho an’i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona sy fiarahabana an’i Mgr Jean de Dieu ny Filohan’ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, Mgr Fabien Raharilamboniaina, Evekan’i Morondava.

Miarahaba sy mirary soa ho an’i Mgr Jean Dieu Raoelison ny Ekipan’ny Radio Don Bosco, ary mankasitraka ny soa vitan’i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona tamin’ny iraka nankinina taminy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...