♦ Hihaona amin'ny Ray Masina François any Vatican, amin'ity herinandro ity, ny Birao Maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Nandao ny Paroasy Saint Louis Manakarabe ny fikambanana Congrégation de la Mission, rehefa niasa 100 taona tao amin'ity toerana ity. Horaisin'ny Pretra diôsezanina avy ao amin'ny Diôsezin'i Farafangana indray ny fitantanana pastôraly... ♦ Mankalaza taon-jobily efatra ny Fianakaviambe Fransiskanina ao anatin'ny efa-taona, ka hofaranana ny 17 desambra 2023 ny fankalazana voalohany, dia ny Noely tao Greccio, izay hotanterahana any amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina...

[audio src="/images/sounds/mdl-20231120.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 septambra 2026

• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...