♦ Hihaona amin'ny Ray Masina François any Vatican, amin'ity herinandro ity, ny Birao Maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Nandao ny Paroasy Saint Louis Manakarabe ny fikambanana Congrégation de la Mission, rehefa niasa 100 taona tao amin'ity toerana ity. Horaisin'ny Pretra diôsezanina avy ao amin'ny Diôsezin'i Farafangana indray ny fitantanana pastôraly... ♦ Mankalaza taon-jobily efatra ny Fianakaviambe Fransiskanina ao anatin'ny efa-taona, ka hofaranana ny 17 desambra 2023 ny fankalazana voalohany, dia ny Noely tao Greccio, izay hotanterahana any amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...