Nankatoavin’ny Papa François ny fangatahan’i Mgr Vincent Rakotozafy, hitsahatra amin’ny fitantanana pastôraly ny Diôsezin’i Tolagnaro, noho ny fahatrarany ny fetra-taona, ary notendren’ny Ray masina handimby azy i Mompera Luc Olivier Razafitsimialona, Économe ao amin’ny Seminera Zokiny Masindahy Joany Batista, Vohitsoa, Fianarantsoa.

Teraka ny 10 ôktôbra 1969, tao Ambovombe Ambositra, i Mgr Luc Olivier. Nanomboka ny fiofanana ho pretra tao amin’ny Seminera zandriny tao Farafangana izy ny taona 1980. Nanohy izany tao amin’ny Seminera zandriny tao Antsirabe ny taona 1984.

Niditra teny amin’ny Seminera zokiny Vohitsoa Fianarantsoa izy, rehefa nahazo ny mari-pahaizana bakalôrea ny taona 1989, nandalina ny filôzôfia, nandritra ny telo taona. Niverina teny amin’ny Seminera zokiny Vohitsoa indray izy nandalina ny teôlôjia ny taona 1995 taorian’ny “stage de régence”. Nohamasinina ho diakra tao Ihosy ny 19 aprily 1998, ary nandray ny laharana maha-mpisoron’ny avo indrindra ny 9 aogositra 1998.

Nanohy ny fandalinana ny teôlôjia teny amin’ny Institut Catholique de Madagascar izy, ary nahazo ny mari-pahaizana “licence canonique” ny 27 jona 2000. Nandranto fianarana tany Fribourg Suisse izy ny taona 2005 ka hatramin’ny 2009. Niverina tany amin’ny oniversite tao Fribourg izy ny taona 2015 ka hatramin’ny 2018 ka nahazo ny mari-pahaizana doctorat momba ny teôlôjia.

Maro ny andraikitra sy ny asa pastôraly nosahaniny. Notendrena ho vikera tao amin’ny paroasy Katedraly Ihosy izy ny taona 2000, sady lefitry ny rektoran’ny Seminera zandriny. Herintaona taorin’izay dia notendrena ho rektoran ny Seminera zandriny no sady mpiara-dia amin’ireo seminera zokiny ao amin ny Diôsezin’Ihosy. Ny taona 2004, ankoatra ny maha rektoran’ny seminera zandriny azy dia notendrena ho curé tao amin ny Katedraly no sady mpiara-mitantana ny onjam-peo diôsezanina “Radio AVEC”. Ny taona 2008, notendrena ho vikera jeneraly, ary mbola nitana ny anadraikitra tao amin’ny Katedraly sy ny tao amin’ny Radio AVEC. Voafidy ho Admnistrateur diocésain izy ny taona 2010, rehefa notendren’ny Ray masina ho Evekan’Antsirabe i Mgr Philippe Ranaivomanana, Evekan’Ihosy. Notendren’i Mgr Fulgence Razakarivony hanohy ny maha vikera jeneraly sy ny andraikitra nosahaniny tao amin’ny katedraly sy ny Radio AVEC izy ny taona 2011. Niandraikitra ny aomôneria ny hôpitaly tany Fribourg Suisse i P. Luc Olivier ny 2015 ka hatramin’ny 2018.

Ny taona 2019 ka hatramin’izao 5 desambra 2023, fanedrena vaovao izao dia nisahana andraikitra maro izy : mpanabe sady économe tao amin’ny Seminera Zokiny Vohitsoa Fianarantsoa; mpampianatra tao amin’io Seminera zokiny io sy tao amin’ny Institut Supérieur Salesiens de Philosphie, Ankofafa Fianarantsoa; Sekreteran’ny eveka ao amin’ny diosezin’Ihosy; mpikambana ao amin’ny mpanolon-tsainan’ny eveka sy ny filan-kevitra ekonomikan’ny Diôsezin’Ihosy.

Izahay eto amin’ny Radio Don Bosco dia mirary soa ho an’i Mgr Vincent Rakotozafy, amin’ny fialan-sasatra, ary mankahery an’i Mgr Luc Olivier Razafitsimialona amin’ny adidy ankin’Andriamanitra sy ny Eglizy aminy.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...